Entrée | 1 Ary hitako |
Mots élémentaires | 2 ary, 3 hita |
Partie du discours | 4 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Vocabulaire | 5 Littérature: poèmes |
Auteur |
6 Andriarimalala René |
Texte complet |
7 Ary hitako fa tsy misy zava-maharitra 8 Eto ambonin'ny tany; 9 Izay mila hoheverina ho mahafinaritra 10 Dia mihelina ihany. 11 Nisaina aho, nandinika, niandry sy niaritra, 12 Hamantatra hatrany, 13 Fa tsy misy mihitsy na dia iray aza faritra 14 Tsy tratran'izany. 15 Ary hitako ny filendan' ny olo-mangirika 16 Ny fahasambarana, 17 Mitady harena izay andriany ilika 18 Tsy misy hasasarana: 19 Ny sasany lasana lavitra ery no mijirika 20 Irony fianarana; 21 Kanefa nony azony, injay misy hiriky 22 Ny ankasomparana. 23 Ary hitako fa ireo falifaly, mpihoraka 24 Fa feno ny soa. 25 Nihevitra ho avo tsy tratry ny toraka 26 Tsy hety ho voa, 27 Dia niandry ny farany ihany hamboraka 28 Ny niafina koa: 29 Ilay aloka iray mahatra-mampangoraka; 30 Dia ny alok'akoho! 31 Ary hitako ny rehetra fa manana fetrany 32 Tsy azo ihodivirana; 33 Fa na inona kiriny sy hoe amboletrany, 34 Tiany hidirana, 35 Izay tiany indrindra tsy maintsy hapetrany 36 Tsy azo ifikirana, 37 Fa ity tany ity, dia izany no toetrany 38 - Tsy azo ifandirana. 39 Ary hitako koa fa ny ratsy dia ambinina 40 - Saiky matetika - 41 Ary angamba izy mihevitra fa tsy hoadinina, 42 Ka be fitetika, 43 Manjehy andro ho lava izay satry hofihinina, 44 Hany ka mbetika 45 Ny fieritreretany tsy hainy ampanginina 46 Iniany alentika. 47 Ary hitako am-po sy an-tsaina tsy miambatra, 48 Hitako loatra 49 Fa samy hizaka ny anjara tsy miangatra 50 - Tsy afa-manoatra - 51 Ary hitako fa rehefa izany no atambatra, 52 Tsy misy hoatra 53 Ny mihevitra Toerana Hafa hahasambatra, 54 Dia any Ankoatra. 55 Ary hitako fa rahefa tsy maintsy hihelina 56 - Tsy hisy fandavana - 57 Tsy maintsy ho vovoka isika olombelona 58 Dia tsara hozahavana 59 Izay mba mahamamy kokoa ka ho telina 60 Ny fiainana, rahavana, 61 Tsotra io: 62 rantsano izay manelingelina 63 Ny fifankatiavana. |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |